Fifidianana Solombavambahoaka: Tonga nanatanteraka ny adidiny ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO mivady.

Toa ny olom-pirenena manan-jo hifidy dia nanatanteraka ny adidiny tetsy amin’ny CEG Nanisana ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO mivady ny 26 mai 2019.

Nandritra io fotoana io no nitafatafany fohy tamin’ireo  mpanao gazety maro tonga teny an-toerana, ka nanentanana ny vahoaka rehetra hifidy sy mba hanaraka ny fepetra rehetra mahakasika ny fifidianana.

Nanome ny heviny ihany koa ny tenany mahakasika ny fanovana ny isan’ny mpikambana eo anivon’ny Antenimierandoholona.

Youtube Sénat de Madagascar: “Tafatafa tamin’ny mpanao gazety”