Fitsidihana ny tetik’asa Lalam-baovao Tsarasaotra-Ivato

Fitsidihana ny tetik’asa fanamboaran-dalana etsy Tsarasaotra mampitohy an’Antananarivo sy Ivato no notontosain’ny Filoham-pirenena mpisolo toerana Rivo RAKOTOVAO, notronin’ireo Loholon’ny Madagasikara izay notarihin’Andriamatoa RANDRIAMBOLOLONA Mananjara Filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana.

Nambaran’Andriamatoa Rivo RAKOTOVAO fa afaka mampiasa io lalana io ny rehetra mba hahafahan’ny besinimaro mifamezivezy sy mifandray malalaka no ho fanamaivanana ihany koa ny fitohanan’ny fiara izay mampitaraina ny mponina eto Andrenivohitra.

Taorian’izany dia nitsidika ireo foto-drafitr’asa fanamboarana Toby Miaramila vaovao sy fanitarana ny Seranam-piaramanidina «RAVINALA» eny Ivato ireo tompon’andraikitra isan-tokony.