JMJ MADA 9 MAHAJANGA: Nanantrika izany ny Filoha mpisolo-toerana RANDRIAMBOLOLONA MANANJARA

Nofaranana tamin’ny Sorona Masina lehibe  ny 14 oktobra 2018 ny JMJ Mada andiany faha sivy, izay notanterahana teo amin’ny Kianjaben’ny St Joseph Belobaka Mahajanga. Anisan’ny nanatrika izany ny Filoham-panjakana Rivo RAKOTOVAO sy ny Loholon’i Madagasikara maro izay notarihin’ny Filoha Mpisolo-toerana RANDRIAMBOLOLONA Mananjara.

Ny Filoham-panjakana Rivo RAKOTOVAO dia nanamarika  fa misy  ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana  sy ny Fiangonana Katolika amin’ny fitaizana ny tanora mba hanana tanora vanona sy vonona hiatrika ny raharaham-pirenena , fa tokony hisaraka kosa  izany amin’ny fotoana mampety azy izay voafaritry ny Lalàmpanorenana na ny “laïcité de l’Etat”.

Ny tanànan’ Antsirabe na “Ville d’Eau ” no hampiantrano ny JMJ andiany fahafolo amin’ny taona 2021.