Fitsidihan’ny Fikambanana CRI-Sud (Cercle de Réflexion et d’intervention pour le Sud ) teto amin’ny Antenimierandoholona

Noraisin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana teto Anosikely, ny alarobia 12 septambra 2018 ny Fikambanana CRI-Sud (Cercle de Réflexion et d’intervention pour le Sud ) ny Filohan’ny Antenimierandoholona Mpisolo toerana RANDRIAMBOLOLONA  Mananjara.

Nangataka fiaraha-miasa taminy sy ny Governemanta  izy ireo manoloana ny fiantrehana ny fifidianana izay ho tanterahina ny 07 novambra ho avy izao.

Nanambara ny Filohan’ny Antenimierandoholona Mpisolo toerana RANDRIAMBOLOLONA Mananjara fa vonona ny hifanome tanana amin’izy ireo ny tenany ary dia nanao antso ho amin’ ny firaisankinan’ny rehetra mba hahatongavana amin’ny tanjona iraisana.

Tsara ny manamarika fa ny Filohan’ny Antenimierandoholona Mpisolo toerana RANDRIAMBOLOLONA Mananjara dia efa Lehiben’ny Distrika tao Tsihombe faritra Androy tamin’ny taona 2000.