Fihaonan’ny Delegasiona avy amin’ny Fondation Friedrich Ebert Stiftung tamin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana RANDRIAMBOLOLONA Mananjara.

Ny Alakamisy 13 Septambra 2018 no nandray ny delegasiona avy amin’ny  Fondation Friedrich Ebert Stiftung    notarihin’i Marcus Shneider solon-tena maharitra  eto Madagasikara ny Filohan’ny Antenimierandoholona Mpisolo toerana RANDRIAMBOLOLONA  Mananjara.

Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fitohizan’ny fiaraha-miasa matotra izay efa nisy hatramin’izay teo amin’ny Antenimierandoholona sy ny  Fondation friedrich Ebert  ny fihaonana.

Taorian’ny fiaraban’Andriamatoa Marcus Shneider an’Andriamatoa RANDRIAMBOLOLONA Mananjara amin’izao nahavoatendry azy ho Filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana azy izao dia nomarihiny manonkana fa ny Fametra-pialan’ny Filoham-pirenena Malagasy Hery RAJAONARIMAMPIANINA 60 andro alohan’ny datin’ny fifidianana dia tsy fahita maneran-tany ka nidera ny fitondram-panjakana malagasy izy.

Ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny Demokrasia dia tena zava-dehibe eo amin’ny fitantanana ny firenena hoy kosa ny Filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana RANDRIAMBOLOLONA Mananjara raha namaly izany.