Fitetezam-paritra nataon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona tany Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Manandriana Faritra Amoron’i Mania, ny zoma 24 aogositra 2018 teo, ny fankalazana ny faha 30 taonan’ny « Volambetohaka », andiany faha 14,  ka nanatrika izany ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO.

Kolon-tsain’ny foko Betsileo ny Volambetohaka, izay entina indrindra hanamafisana ny fihavanana eo amin’ireo mpiray  foko Betsileo. Tamin’izany no nitsiahivan’ny  Filohan’ny Antenimierandoholona ny maha zava-dehibe  ny kolontsaina satria maneho ny firaisankinan’ny vahoaka. Firaisan-kina izay nambarany fa tokony aseho’ny vahoaka rehetra mandritra ny fifidianana.
Ny Alahady 26 aogositra 2018 dia nanatrika ny hetsika lehibe izay nataon’ny antoko HVM ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO. Hetsika izay nialohavan’ny Carnaval namakivaky ny tanànan’i Fianarantsoa sy nitafan’ny Filohan’ny Repoblika Hery RAJAONARIMAMPIANINA tamin’ny vahoaka tao amin’ny kianjan’ny   « Cheminot ».

Nifarana tamin’ny fitokanan’ny Filohan’ny Repoblika Hery RAJAONARIMAMPIANINA ny « Barrage hydro-agricole » Vohitsambo tao amin’ny Distrikan’Ambalavao ny dian’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO tany amin’ny faritra Matsiatra Ambony ny alatsinainy 27 aogositra 2018.