Fanolorana ny amboara azon’ny « Sénat Sport » nandritran’ny Tournoi ASIEF (“Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires “) Faritra Analamanga

Androany no natolotry ny « Sénat Sport » izay notarihan’ny Filohany FAYSSOIL  Ali  Mzé  tamin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO ireo amboara azo nandritra  ny  “tournoi ASIEF (“Association Sportive Interministérielle pour l’entretien des Fonctionnaires ») 2018” faritra  Analamanga.

Tsahivina fa tsara ny vokatra izay azon’ny  Antenimierandoholona nandritra izany fifaninanana izany : laharana voalohany ny ekipan’ny “Volley Ball”, faharoa ny  ekipan’ny  “Foot-ball mixte “ ary  faharoa ny ekipan’ny “Athlétisme”  tamin’ny  “relais pédestre », araka tatitra izay nataon’ny Filohan’ny « Sénat Sport » FAYSSOIL  Ali Mzé . Nanome toky ny Filohan’ny “Sénat Sport” fa hanao  izay tratra mba hahafahana mahazo ny laharana voalohany  hatrany, ka isaky ny “discipline” no tanjona amin’ny fifaninanana nasionaly izay hatao any Toamasina.

Ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO kosa etsy andaniny dia nankahery ny mpilalao, ny asa atao hoy izy no ahafahana manohitra ny  resaka  diso momba ny Antenimierandoholona avy any ivelany. Nanentana ny rehetra moa izy mba tsy handairan’ny fanakorontanana noho izany.