Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO: Naneho ny fiaraha-miory teny amin’ny Firenena Mikambana Andraharo.

Tonga naneho fiaraha-miory tamin’ny fianakaviamben’ny firenena mikambana teny Andraharo ny Zoma 24 Aogositra 2018 ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO  sy ny Minisitry ny angovo sy ny solitany Henri RABARY-NJAKA noho ny fodiamandrin’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena mikambana teo aloha KOFFI Anan.

Raha nanambara Ramatoa Violet KAKYOMYA  Solotena maharitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara nahita ireto solotenm-panjakana ireto nidodododo naneho ny fiaraha-miory amin’izy ireo manoloana ny fodiamandrin’i KOFFI Annan izao fa tohina tokoa ny tenany.

Nomarihin’ny  Filohan’ny Antenimierandoholona  kosa fa olon’ny fandriampahalemana ho an’ny Firenena eran’izao tontolo izao Itompokolahy KOFFI Annan ary efa niainany hatramin’izay izany.

Nandritra io Fotoana io ihany koa no nanararaotan’ny mpanao gazety nanontaniana an-dRamatoa Violet KAKYOMYA  mikasika ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara, ka tamin’izany no nanambaran’ity solotena maharitry ny Firenena Mikambana ity fa vonona hatrany ny Firenena Mikambana ny hanampy an’i Madagasikara amin’io fifidianana izay tanterahana ny 7 Novambra 2018 io, ny tanjona moa hoy ny fanazavany dia ny fanatanterahana izany ao anatin’ny filaminana tanteraka.

Etsy andaniny kosa , nambaran’ny Filohan’ny Antenimierandoholona fa efa matotra ny fiaraha-miasan’ny Firenena mikambana amin’ny fanampiana sy ny fanaraha-maso an’ity fifidianana izay hotanterahina eto Madagasikara ity.