Lanonana fanaovam-beloma farany ny Loholona RAKOTOSEHENO Zo Andriambola

Ho fanaovam-beloma farany ny Loholona RAKOTOSEHENO Zo Andriambola izay filohan’ny Vaomiera sosialy, kolotsaina ary fifandraisana eo anivon’ny Antenimierandoholona dia nentina nandalo tetsy amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosikely ny nofo-mangatsiakany ny Zoma 27 jolay 2018. Fotoana nanomezana an-dRatompokolahy ny laharam-boninahitra “Grand officier de l’ordre national” ka nanolotra  izany,  tamin’ny anaran’ny Filohan’ny Repoblika Hery RAJAONARIMAMPIANINA,  ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO .

Ny fotoana dia teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO  notronin’ny fianakaviamben’ny Antenimierandoholona, ireo Mpikambana ao amin’ny Governemanta,  ireo solotena avy ao amin’ny fiadidian’ny Repoblika ary ny Filohan’ny CAF AHMAD.

Alohan’ny nametrahana azy ao amin’ny fasan-drazany ao Ilafy-Rova dia nentina nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena.