Fanehoan-kevitrin’ny Vondrona parlemantera maro an’isa teny amin’ny Carlton Anosy

Manoloana ny savorovoro misy ankehitriny, dia nivoaka tamin’ny fahanginany  ireo mpikambana ao amin’ny Vondrona parlemantera maro an’isa izay manohana ny fitondrana misy ankehitriny ny alarobia 23 may 2018 ka naneho ny fomba fijeriny tetsy amin’ny Carlton Anosy . Tsy manaiky ny fampihatoana ny Filoha Hery Rajaonarimampianina amin’ny asany sy ny teritery atao amin’ny fitondram-panjakana izy ireo ary matoky ny fahendrena sady miandry ampitoniana ny fanapaha-kevitry ny Fitsarana Avo Momba ny Lalam-panorenana (HCC) mikasika izany fanesorana ny Filohampirenena amin’ny asany izany.Nambaran’izy ireo fa ny fifampidinihina sy ny fifanatonana ihany no vahaolana mahomby amoahana ny firenena amin’izao krizy izao. Miantso ny vahoaka ho tonga eny amin’ny Coliseum Antsonjombe ihany koa izy ireo mandritra ny hetsika izay kasain’izy ireo  ny sabotsy 26 may ho avy izao.