Fitsidihana nataon’ny Fikambanan’ny Loholona sy Diakona avy amin’ny Fiangonana Fjkm Faritra Faravohitra .

Noraisin’ny Filohan’ny Antenimierandolona RAKOTOMANANA Honoré ny maraina teo ny delegasiona avy amin’ny Fikambanan’ny Loholona sy Diakona avy amin’ny Fiangonana Fjkm Faritra Faravohitra ,notarihin’ny Filohany ANDRIAMINAHY Laurent .

Mankalaza ny faha 50 taona ny Fiangonan’i Jesosy Kristy eto Madagasikara(FJKM). Hisy zaika be zay hotanterahana any Antsiranana ny faha 17,18 ,19 aogositra ho avy izao . Tonga nangataka tolo-tànana sy fiahiana ary fiaraha – miasa ho amin’ny fanantanterahana izany tamin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona ireo delegasiona ireo.

« Vontoso filazantsara ny Nosy Madagasikara », io no teny filamatry ny Fiangonana FJKM.

Nakasitraka sy hanohanana ary mankahery ireo delegasiona ny Filohan’ny Antenimierandoholona

Vonona ny hiara – hiasa mandrakariva amin’ireto firaisan’ny Loholona sy Diakona FJKM amin’ny Faritra Faravohitra ny Filoha RAKOTOMANANA Honoré amin’ny maha Raiamandreny azy .