Fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny vehivavy:

Toy ny isan-taona dia nandray anjara tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny vehivavy, ireo Loholon’I Madagasikara vehivavy sy ireo mpiara-miasa vehivavy teto anivon’ny Antenimierandoholona, androany Alatsinainy faha 09 martsa 2020.
Niavaka ny fankalazana tamin’ity taona ity, satria hetsika fanomezan-drà no nentina nanamarihana izany tetsy amin’ny Hopitaly HJRA, hetsika izay notarihin’ny Loholon’i Madagasikara RAMALASON Olga.
Manoloana izany dia nanambara ny Loholona RAMALASON Olga fa tsara hoy izy ny manome rà, satria mamonjy olona sy manome aina. Noho izany dia nanentana ny rehetra izy mba hazoto amin’ny fanomezan-drà na dia indray mandeha isan-taona ihany aza.