VONDRONA AFRIKANINA – ANTENIMIERANDOHOLONA MALAGASY

« Fampiroboroboana ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy Malagasy eo amin’ny sehatra  ara-politika sy ara-tsosialy eto Madagasikara ». Izany no vontoatin’ny fihaonan’ny Loholon’i Madagasikara RAKOTOARISOA Bakonirainy sy Rtoa HAWA Ahmed Youssouf solontena maharitry ny Vondrona Afrikanina monina sy miasa eto Madagasikara. Ny fihaonana moa dia notanterahina teny amin’ny Foibe toeran’ny Vondrona Afrikana teny Akorondrano androany faha 21 febroary 2020.