KABINETRAN’NY FILOHAN’NY ANTENIMIERANDOHOLONA: Niarahaba ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO noho’ny fahatratrarana ny taona vaovao 2020.

Misesisesy hatrany ny fiarahabana ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO amin’izao fahatratrarana ny taona vaovao 2020 izao. Ny alakamisy 09 janoary 2020 lasa teo, dia anjaran’ny mpikambana ao amin’ny Kabinetrany izay notarihin’Atoa RAKOTONIRINA Luc Marcel Tale ny kabinetra no nanatanteraka izany teto anivon’ny Antenimierandoholona.