Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO: zava-dehibe ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolontsaina ny 27 novambra 2019

Tamin’ny 10 ora sy sasany atoandro teo no nanefa ny adidiny teny amin’ny CEG Nanisana ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO sy ny ankohonany androany.
Nandritra ny tafatafa izay nataony niaraka tamin’ny mpanao gazety taorian’izany no nilazany fa zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana satria io no ahafahana mamerina ny fahefana amin’ny vahoaka.

Filoha Rivo RAKOTOVAO maneho ny heviny amin'ny maha zava-dehibe ny fifidianana 27 novambra 2019

Filoha Rivo RAKOTOVAO maneho ny heviny amin'ny maha zava-dehibe ny fifidianana 27 novambra 2019

Publiée par Sénat de Madagascar sur Mercredi 27 novembre 2019