Fianianan’ny Governoran’ny Banky Foibe vaovao Andriamatoa Henri Edmond RABARIJOHN.

Notanterahina ny zoma 15 novambra 2019 tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana Tampony Anosy ny fianianan’ny Governoran’ ny Banky foibe vaovao Andriamatoa Henri Edmond RABARIJOHN izay nisolo toerana an’Andriamatoa Alain RASOLOFONDRAIBE . Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany ny Filohampirenena Andry Nirina RAJOELINA, notronin’ireo Filohan’ny Andrimpanjakana sy ireo manam-boninahitra isan-tsokajiny. Anisan’ny nanotrona izany ny Filohan’ny Antenimerandoholona Rivo RAKOTOVAO.