FAMOAHANA NY ANDIANY “ILO” ENAM MADAGASIKARA

Notanterahina ny Zoma 09 Aogositra 2019 teny amin’ny ENAM Androhibe ny lanonana namoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpianatra miisa 205 mianadahy misalotra ny anarana hoe : « ILO » rehefa nahavita ny fianarany nandritra ny roa taona tao amin’ny « Ecole Nationale de l’Administration » eny Androhibe Analamahitsy.  Marim-pahaizana ambony amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana no natolotra azy 205 mianadahy ireo, izay teo ambany fitarihan’ny Praiminisitra sady lehiben’ny Governemanta NTSAY Chrsitian sy ny Loholon’i Madagsikara BETIANA Bruno izay Mpikambana eo anivon’ny Birao Maharitry ny Antenimierandohoklona. Andiany faharoa ireto ary làlam-piofanana efatra no norantovin’ ireto mpianatra ireto nandritra ny roa taona dia ny momba ny « Administration publique », ny « administration financière », ny « technologie de l’Information » ary ny « diplomatie internationale ».