TSINGERIN-TAONA FAHA-15 N’NY “VAKOMANITRY NY ANTENIMIERANDOHOLONA”

Notanterahina ny Zoma 09 Aogositra 2019 teo ny fanapahana ny mofomamy manamarika ny faha-15 taona ny Vakomanitry ny Antenimierandoholona. Nandritra ny teny fohy nataon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao no nanamafisany ny fiarahabana ny tarika « Vakomanitry ny Antenimierandoholona » ary ny fisaorana izay rehetra namorona, sy nikolokolo ary nanabe voho ity amboaram-peo ity nanomboka ny taona 2004. Sehatra iray mampiray sy mitaiza ny mpiasa anivon’ity Andrimpanjakana Faharoa ity ny fisian’ny kolontsaina tahaka izao.