FITSARANA AN-TAMPONY: NANATANTERAKA FIANIANANA NY TALE JENERALY VAOVAON’NY BIANCO

Nanatanteraka fianianana tetsy amin’ny Fitsarana An-tampony Anosy ny Tale Jeneraly vaovao ny Bianco ANDRIANIRINA Laza Eric Donah ny Talata 06 Aogositra 2019. Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany ny Filoham-pirenena Andry Nirina RAJOELINA, notronin’ireo vahiny manan-kaja sivily sy miaramila.
Nisolo tena ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO tamin’izany ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona avy amin’ny Faritanin’Antsiranana AMIDO izay notronin’ireo Loholon’i Madagasikara namany.