RINDRAN-KIRA LEHIBE HO FANKALAZANA NY FAHA 15 TAONAN’NY VAKOMANITRY NY ANTENIMIERANDOHOLONA

Tontosa ny Zoma 26 jolay 2019 ny Rindran-kira lehibe ho fankalazana ny faha 15 taonan’ny Vakomanitry ny Antenimierandoholona izay notanterahin’izy ireo tetsy amin’ny PLAZA AMPEFILOHA.

Ny lanonana dia teo ambany fiahian’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO mivady, notronin’ireo Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha dia Andriamatoa RAKOTOMANANA Honoré sy Andriamatoa Rajemison RAKOTOMAHARO, ary ireo Loholon’i Madagasikara.

Naharitra ora 2 ny fampisehoana ary hira 11 no noventson’ny antokom-pihira Vakomanitra ny Antenimierandoholona,  hira 3 kosa no nirain’ny tarika R’IMBOSA, ary hira 3 no nirain’ny Antokom-pihiran’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Mihira, ireto farany moa dia nasaina manokana tamin’ity fampisehoana rindran-kira goavana ity.

Nandritra ity fampisehoana ity no nanolorana ny marim-pankasitrahana hoan’ireo telo mirahalahy izay samy mpiasa eto anivon’ny Antenoimierandoholona nahazo ny loka tamin’ny sary famantarana ny fankalazana ny faha 60 taonan’ny Antenimierandoholona.

Nomarihin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO fa fanamafisana ny firaisan-kina sy fifankatiavana ao anatin’ity Andrimpanjakana faharoa eto amin’ny Firenena ity no antom-pisian’izao herinandron’ny fankalazana ny faha 60 taonan’ny Antenimierandoholona izao, ary nomarihiny fa notanterahina am-pitiavana izany ary tsy nisy volam-panjakana na Ariary aza nampiasaina nentina nanatanterahana ny hetsika rehetra.

Afa-po tanteraka ireo rehetra izay nanatrika ity fampisehoana goavana ity.